IO VEHIVAVY IO! - Zay LAFATRA
Azo vakiana?
IO VEHIVAVY IO!
Io vehivavy io ry Dada!
Tsy tokony ho bedesina,
fa avela hibadabada,
anefa omena lesona.
Io zanaka vavy io ry Neny!
Mba kolokoloy tsara,
fa aza avela ho irery.
Rehefa tojo ny anjara(ny).
Ny vehivavy anie leroa!
Zaridaina mila koloana,
mba ho maintso mavana sy soa!
Hajaina tsara tsy lotoana.
Ny vehivavy ange fananja e!
Satria fanaka marefo,
voninkazo iray manja,
natao hapi-sento.
Io vehivavy io letsy bandy!
Tsy natao hapijaliana!
Tsy natao homena vandy,
fa natao hitosiana.
Io vehivavy io ry namako!
Tsy natao ho fosaina!
tsy natao ho olo-hako,
fa natao ho hiraina.
Io vehivavy io rehefa tia!
Dia tia tsy mivazy,
Ao aminy ilay doria,
ka izany no isaorako azy.
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : nagaoka
Daty : 17/07/2017
Mpamangy : 756
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VONINKAZOFITIA
FO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA
LAZAO RAHA TSY TIA
NIZAKA RATRA
Fo hafakely
Tsy hifoha intsony
Tia anefa tsy voajery
HOPITALIM-PITIAVANA