Izy ilay nambabo - Zay LAFATRA
Tao anaty telo taona,
niarahana teny foana,
dia nahitako alahelo,
sy hafaliana etoana.
ka tsy nahoako akory,
tamin'izany na nitrambo,
ny ranomason'olon'ory,
satria izy ilay nambabo.
Na hariva maizin-kitroka,
ny firavana tamin'iny,
ka tsy nataoko nahaditsoka,
mba tsy hananan-tsiny,
fa nateriko ianao sakaiza,
sanatria raha nihambo,
ilay fitiavako hatraiza,
f'izy ilay nambabo.
Na ny andro tsy nahatazanako,
hibanjinako ny endrikao,
toa bonga izay tazako,
sy fisaonana tsotr'izao,
fa ny bikanao no fitaratra,
hitarafako ny ampitso,
ny endrikao tsy maratra,
nahababo tsisy diso.
Na maro ireo niserana,
nandangolango ilay fitia,
fa ny fitiavako anao tsy ferana,
satria izaho tena tia.
f'ireny ange dia reraka,
ny hanintona ny foko,
fa ny tiako noho ianao mbola tsy teraka,
ary ny fitiavako tsy niova loko,
ka sarotra tapahana
sarotra halavo
f'izy ihany no hiraina,
satria izy ilay nambabo.
08/01/18
rvh
Zay_LAFATRA
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : nagaoka
Daty : 24/03/2019
Mpamangy : 2527
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
VONINKAZOFITIA
FO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA
LAZAO RAHA TSY TIA
NIZAKA RATRA
Fo hafakely
Tsy hifoha intsony
Tia anefa tsy voajery
HOPITALIM-PITIAVANA