Miaraka hono isika? - Zay LAFATRA
Azo vakiana?
Nanan'elatra indray ny teny,
ka nibovolony sy ny sisa!
Lasa nipoitra teny ho eny,
fa miaraka hono isika.
Nanako hatraiza hatraiza,
fa miaraka hono izaho sy ianao!
ny foko aza tsy haiko hoe hitempo aiza,
fa lasa midoboka aminanao.
Isika anefa dia pinamana,
fa tsy pifakatia velively!
Anefa tsy haiko nosakanana,
ireo feo izay miely,
fa miaraka hono isika!
Miaraka hono sika?
dia naharitra hafiriana?
niandoha taiza?
Toa teny mahaliana.
Anefa izaho tsy mbola nilaza,
ilay fitiako anao!
tsy namboraka mazava,
ilay teny tiako ianao.
Miaraka hono isika!
Teny mahorakoraka hatrany an-tsekoly
Fa raha ny mombanao tsy laviko,
fa ny tenin'olona ireny no nahatonga ahy hamboly,
raozy iray an-taninao,koloiko ka hotiaviko.
Raha ny momba izay ndao hakatoavina,
ndao isika hiaraka ho any am-paradisa sambatra.
13/10/17
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : nagaoka
Daty : 15/07/2019
Mpamangy : 831
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
VONINKAZOFITIA
FO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA
LAZAO RAHA TSY TIA
NIZAKA RATRA
Fo hafakely
Tsy hifoha intsony
Tia anefa tsy voajery
HOPITALIM-PITIAVANA