NY FITIAVAKO ANAO - Zay LAFATRA
Azo vakiana?
NY FITIAVAKO ANAO
Volohany dia fitia no atolotro!
Avy eo dia tohofo indray ny
molotro.
fa ny fitiavako anao kosa malala,
dia ilay fitiavana tsy manan-
tsahala.
Satria:
Ny fitiavako anao dia ilay fitiavana
tsy mety boboka.
Toy ny hazo voambo ana maniry
midoroboka.
lzany ka mafy,tsy ho ajeran-drivo-
dozanao,
fa tsara fototra hatrany ilay
fitiavako anao.
Ny fitiavako anao dia ilay fitia
tsara rindra,
Na pepoana tsy ho faty na alaina
tsy hifindra,
Fa mitohetra izy ka tsara kotroka
ao am-poko!
Nahazo lapa akiray,madio tsara
tsy voaloto.
Ny fitiavako anao tsy
hiandrandrako valiny,
fa anio fotsiny aho mba hindrana
ny aliny!
Na sasa-miandry ary izaho na
velona taraina!
Dia ho eto foana aho hiandry ny
maraina.
Raha fantatrao izany dia meteza
ianao rahavako.
Ataoko ahoana moa ny hamborako
ny fitiavako.
Izaho anie vehivavy ka tsy afaka
hilaza,
ilay fitiavako anao voaporofo sy
mazava.
Fitiavako ianao,fiainako etsetra.
Hany sisa azo atao dia misaotra
anao ry poeta.
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : nagaoka
Daty : 17/07/2017
Mpamangy : 1675
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VONINKAZOFITIA
FO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA
LAZAO RAHA TSY TIA
NIZAKA RATRA
Fo hafakely
Tsy hifoha intsony
Tia anefa tsy voajery
HOPITALIM-PITIAVANA