POETA KELINAO (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POETA KELINAO

Ataovy tonga any fa...,
Poeta kelinao iny tovolahy iny!
Ka avelao izy mba haneho ilay
faniriany.

Izy ange teto sahirana kely ery!
Nanoratra tononkalo hatolony
hoan-dry.

Raha poeta kelinao izy dia trotroy
eo an-tsoroka.
Na koa tomany dia omeo azy ny
oroka.
F'izy anie tsy nanadino anao
velively!
Satriny aza hoe:"dia ianao ilay
anjely,"

mpiambina azy hatrany hatrany.
Raha izany no misy dia ho
sambatra izy izany.
Hatreto hono izy dia hitohetra ho
anao.
Na oviana na oviana dia ho poeta
kelinao.

☆★☆14/06/17☆★☆

--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
833 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 17/07/2017 20:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103