SASA-MIANDRY (Zay LAFATRA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa sasa-miandry ity alina mangina!
Ny maraina tsy fantatro na ho tonga ianao ry tiana.
Izaho efa dodona ny hahita maso anao.
Ny foko mientanentana ny saiko mifamaho.

Hoe rahoviana indray isika vao hifakahita,
f'izaho ato ihany fa ianao no tsy hita.
Efa sasa-miady ity foko fenon-jaly,
ka mionona mangina,miandry anao hapifaly.

Sasa-miandry aho ka mila ho renoky ny tory,
mila ny angolanao mba hanalana sorisory!
Raha ny masonao iny no mimbanjina tsy miala.
manembona aho androany ka mila ho adala.

Adalanao e!adala rehefa tia,
Raha hilaozanao angamba dia ho faty na ho sia,
satria ianao ilay nanaitra ny ambiroa.
Namoha ny fitiavako,napaniry sy namoa.

Ireo hasambarana vaventy toy ny lanitra,
na ny rivotra aza feno ny fitiavako maranitra.
Mamelovelo ny tontolo androko sy ny hery.
Mifaningotra ao anatiko,tsapaina tsy hita fery.

12/04/15
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1392 1
Mpakafy: nagaoka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 24/02/2017 18:18
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148