Tia anefa tsy voajery - Zay LAFATRA
Azo vakiana?
Iny takariva diavolam-pararano dia iny mitamberina ao anatiko ny tsiaro,
sambatry ny lasa mandrasa ny tadidy ka ho tsiaro manankasina tsy hifangaroharo.
Ny foko manimanina ny fitiavako anao dia mangina miombo-pery.
Na mirehitra mandoro ny any anatiko any dia tsy nisy mba nijery.
Dia eto foana aho,miandry sy mitazana izay ho fitiavanao,
dia izaho sy ny fitiavako ve dia hijanona amin'izao?
Tsia hono ny foko fa ny saiko tsy manda ny bitsiky kalo,
kalon'ny fitia avy aminao ry ilay olona nandalo.
Lasanao iny ny fiainako rehetra fa indrindra ny fitiavako,
ny foko motramotraka rakofan-dreo nofo mahatsiaro toa voaavaka.
na feo indray mipaka nandrandraiko taminao tsy nisy na dia kely.
fa nataoko amam-pihetsika narahiko tsiky kely ny fitiavako anao ireny.
Ho eto foana aho na any ianao ry ilay olona notiviko,
fa ny hasambarana tsy ho takatry ny sandriko.
Hitia anao foana aho na tsy hitanao akory ny jaliko isa-kalina,
fa ny ahatsiaro anao toa apotona tafondro amanalinalina.
Dia ianao!Sariko mora havanina na mahagoly eritreritra,
Tiako ianao!Teny mba homaniko matotra sy hentitra.
Afoiko omena anao rehefa any andro iray hiobonam-po,
na tia tsy voajery aza aho dia hirary soa anao tokoa.
Dia banganao lava ity foko manantena ny ho tiavinao.
Tia loatra aho anefa dia tsy tiany ka hionona amin'izao
Diavolam-pararano nitsiriam-pitiavana mahery tato anatiko.
tia anefa aho fa saingy tsy voajery ka nanimba ny fanahiko.
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : nagaoka
Daty : 28/07/2019
Mpamangy : 856
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Nahoana ianao no tanondrikaNY BANDY REHEFA TIA
ALEOKO MITSO-DRANO
MIANDRY ANAO
FAHALEMEM-PITIAVANY
Fo ny ahy ny fo
VONINKAZO
FITIA
FO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA