TIAKO HALAINA - Zay LAFATRA
Azo vakiana?
TIAKO HALAINA
Iry lavitra ery no mitohetra,
Ilay tovovavy tsara,bikàna!
Tiako halaina fa misy fetra,
ny lalana makany izay tiako
hombana.
Vaky ny saiko mandinika anazy,
Mikodia tsy mijanona tsy mety
sakanana!
Tiako hangataina halaina ho vady,
ity tovovavy tiako ho namana.
Ka halaiko moramora ianao ry
sakaiza,
hoany amin'ny akany fonenana
tsara,
Mba hiada-pinaritra hatraiza
hatraiza,
hatramin'ny taranaka Idimby sy
Fara.
Io ilay faniarako fa namelana
niteraka,
tonga ilay andro fanehoana ny
fiaina.
Mafy orina hatrany,tsisy
hahasaraka,
fa ny ampitso sy anio no ho
mariky ny fitiavana.
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : nagaoka
Daty : 17/07/2017
Mpamangy : 669
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VONINKAZOFITIA
FO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA
LAZAO RAHA TSY TIA
NIZAKA RATRA
Fo hafakely
Tsy hifoha intsony
Tia anefa tsy voajery
HOPITALIM-PITIAVANA