TIAKO HO TAFITA - Zay LAFATRA
Azo vakiana?
Ray ô!Tiako izy ho tafita ity alina pisopatra!
Ho tratry ny maraina masoandro vao hiposaka.
Tiako mantsy izy hanonofy mamy androany,
Fa ny ahy anie ny tanjoko dia hahasambatra azy ihany.
Na tsy endrika ho tiavana toy fasana aza ianao,
dia tiako hilevenana fa indrindra ny fonao.
Na tsy hanitra ho fohana toy raozy ianao ry tiana,
dia fofoniko am-pitsikiana.
Na maro panadala sy pandrabiraby saiana,
aza ianao sakaiza dia tiako hatsaraina,
tsy havelako hosombaina.
ary tsy hisy hapalako na koa hahita,
fa izaho ilay tia,tia anao ho tafita.
Tiako ho tafita fa izay ilay finoako!
hendré tsara indry ry ilay namana tsy foiko.
Izay no hasambarako ny hahatafita anao,
sento tokana iray no tiako ho tsapanao.
Tiako ho tafita ilay hevitra avoitra,
raha ianao no manery avy hatrany dia hapoitra.
sarobidy amin'ny fiainako anie ilay izy,
raha sendra ianao ka ory mitraka aza kivy.
mbola eto foana ahy aho hanao sorona ny hoaviko,
fa ny hahatafita anao no tanjona tadiaviko.
Zay LAFATRA
28/12/17
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : nagaoka
Daty : 04/07/2018
Mpamangy : 1018
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
VONINKAZOFITIA
FO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA
LAZAO RAHA TSY TIA
NIZAKA RATRA
Fo hafakely
Tsy hifoha intsony
Tia anefa tsy voajery
HOPITALIM-PITIAVANA