TIAKO RAHA MIVERINA (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO RAHA MIVERINA

Vao iny aho nahay nitia dia ianao irery ihany,
no niatsipazan'ilay fitiavako nisy tery tsy nety lany.
Efa tany ambadik'Imanareza no nitiavako anao,
mbola tsy nitsahatra izany ankehitriny izao.

Ela zay,ela be raha ny lasa no tadidy,
fa ny mitia anao tsy hataoko hahakivy!
tsy ho kivy io,na tia anao tany ampiadohana!
fa ny tanjoko dia izao:mitia anao malala.

tiako mantsy tsy akory,tiako raha miverina,
ny fanaterako anao iny rava nianatra amin'ny enina.
Takariva somabisaby,takariva mahaliana,
tiako tena tiako ny eo anilan'olo-tiana.

tiako raha miverina ilay angolan'ny masonao mijery,
niatsapy ety amiko ka nodiako mbola niery.
toa ny hoe nadositra mibanjina,
nefa nieritreritra aho mila ho vaky tapikandrina.

Tiako raha miverina ilay fakan-drivotra maraina,
teo apototry ny "thia" sisin-jaridaina.
Teo izaho sy ianao niaraka nitohetra!
Niresaka tsotsotra,tsikitsiky tsisy fetra.

Tiako ange izy iny raha mitodika ny lasa,tia ka mitolona!
mba hiotsonan'ny fony fa tia azy ny olona.

#Zay_LAFATRA
--------
Rohy:
1282 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 22/10/2017 11:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113