TOMANY LETSY IZY - Zay LAFATRA
Azo vakiana?
"TOMANY LETSY IZY"
Dreyyy!nitomany ianao,
fa nilaozan'olo-tiana!
Malo-kendrika sy lao,
noho ireo fijaliana.
Ka trobaka ny fony!
Ketraka ny sainy!
Ary tsy hitia olo-kafa intsony,
fa resin'ny fitiavana nilainy!
Ny rano-masonao foana,
no mipatraka tsy mitsahatra!
Rano-masom-pitalahoana!
Nefa izany angamba no lahatra?
Rehefa iny ialahy no lasa,
dia izany no nitranga!
Izaho akory tsy handatsa,
fa raha mamono tena io dia ialahy
no migadra.
Enganie tsy hisy izany,
fa hifa-pody ianareo roa!
ka ho foana ny tomany.
Hifanesy indray ny soa.
Ka miverena letsy ialahy a!
fa mijaly loatra izy!
Mba mangoraha ialahy fanahy,
f'izy ato mila ho kivy!
Aoka izay razaza-vavy!
Hatsaharo ny tomaninao!
F'any andro iray mbola hoavy,
dia izy indray no hitady anao.
courage akia rasipa a!
18 mai, 23:59 ยท
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : nagaoka
Daty : 17/07/2017
Mpamangy : 882
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VONINKAZOFITIA
FO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA
LAZAO RAHA TSY TIA
NIZAKA RATRA
Fo hafakely
Tsy hifoha intsony
Tia anefa tsy voajery
HOPITALIM-PITIAVANA