TONGAVA SOA (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"TONGAVA SOA"

Iny ianao no lasa ao anaty fiara,
dia nanofakofaka ilay mosoara,
vonton-dranomasoko iny!
Ranomaso tsisy tsiny.

Sendra latsaka iny angamba?
noho ny zavatra efa mbanga,
nihatra anatiko ao,
ka lasa nidoreo tsotra izao.

Veloma no azoko ambara!
Tongava soa any ianao malala!
Soava-dia ianao rahavako,
no sisa voatonon'ity vavako.

Aza malahelo ianao ry mamiko,
na kely monja aza amin'ny momba amiko,
fa ny dianao jerena,
satria ny anjara sy ny lahatra tsy azontsiko ho terena.

Na izany aza izaho tsy hanadino,
fa mbola manatena ary koa mino,
ny hihaonantsika indray,
rehefa tonga ilay andro iray!

Izay ilay maro tsy voatanisa,
fa ho taolambalom-pitiavana no sisa.
Tsy anjara angamba ny an-tsikaroa?
ka veloma no apetrako,mifalia,tongava soa.

11/11/16
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1064 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 25/02/2017 08:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108