You are here: home > Vetso

TSIKINAO - Zay LAFATRA

Azo vakiana?

             "TSIKINAO"

Ianao ilay tsara lalan-dava,
Noho ilay tsikinao tsy mety rava!
Ianao ilay mamiratra volom-
bolamena,
vokatry ny tsikinao tsy noterena.

Izany ka tena tsiky tiako!
Na mandrivotra aza tsy hikipiako!
Tretrika aho mahita anao faly
tohizao,
te hilaza sahady izaho fa tiako
loatra ianao.

Na iny zaho rehefa maloka
malazo,
iatsipiazan'ny tsikinao dia
lasa ravoravo!
Tsy henoko akory ireo olona
nianjady,
fa noho ny tsikinao dia vonona
aho hiady.

ka noho ny tsikitsikinao tamiko,
dia asetriko hoanao koa ny avy aty
amiko.
Ny tsikinao matsy no tsikiko ihany!
rehefa eo ianao dia dila ny
tomany.

Ka jery tokana ihany angamba,
no atopin'ny masoko efa jamba,
tamin'ilay tsikinao lafatra...!
Hany ka ny foko lasa tianao
fatratra.

izany ka tsiki-pitiavana.

Sokajy : Fitiavana