You are here: home > Vetso

TSIKY DIA AMPY - Zay LAFATRA

"TSIKY DIA AMPY"

Raha toa ianao ka ory,
na sorena lalandava,
aza hadino fa tolory,
ilay tsiky indraim-bava.

Tolory tsiky foana,
fa aza mety mimalo,
fa mbola hoavy ilay fotoana,
handresenao ny fahavalo.

Aza mitana lolom-po,
fa omeo azy ny tsikinao,
omeo azy avokoa,
hatramin'ny endrikao.

ka raha tomany ianao ry namako,
dia eto izaho hanolotra ny tsikiko!
mba ho fao-dranon'alahelonao asosoky ny tavako,
dia raiso am-pitsikiana fa ho anao ry ilay notiaviko.

   29/02/17

Sokajy : Fitiavana