You are here: home > Vetso

fiainana mandrakizay - zazah

Azo vakiana?

Impiry rovitra ny lanitra,
Impiry nihovitra ny tany,
f'isika eto ihany...

Avelao ny voaary
hanohy ny diany,
raha izay no tiany,
f'isika ho eto ihany...

Ho rava ny tontolo
rehefa tonga ny fotoana,
f'isika tsy hikoro
fa mbola hijoro,
eto foana foana...

Ny lanitra sy tany ho levona,
f'isika ho velona
mandrakizay doria
raha mifankatia.

Sokajy : Malalaka

Hametraka hevitra

Midira aloha