You are here: home > Vetso

Niova - zazah

Azo vakiana?

Nantsoiko ianao omaly,
tsy namaly
fa nanao be marenina.
Ka nony ity androany,
kaikerin'ny nenina,
vao mody hitomany...

Tsy ahoako akory,
sady tsy amakiako loha;
Hafa ny taloha...
Ny foko efa matory,
aza tairinao intsony.

Sokajy : Fisarahana

Hametraka hevitra

Midira aloha