You are here: home > Vetso

Ny ao anatiny - zazah

Tsy safosafo mahasafononoka,
na orokoroka mitohoka amin'ny molotra,
f'ilay tao anatiny,
no nahitako fafiny,
tamin'iny olona iny...
Ary iny no tsy tantiny,
fa nampangorovitsika
ny ainy manontolo,
raha sendra voakitika.

Na ny teny maminy,
na ny tambitambiny,
dia fotsiny ambinambiny.
F'ilay zavatra iny ihany,
no tiako teny aminy,
tamin'izany andro izany.

Tsy ilay saininao akory,
fa ny fitia tao am-pony,
no tena nankafiziko
tamin'iny alina iny.

Sokajy : vanivany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : zazah

Nampiditra : zazah15
Daty : 24/09/2014
Mpamangy : 856
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Andao hanonofy
Fanahy mahaolona
Mangina ialahy ry foko
( tsy misy lohateny)
Dindo
NOFY
Izay tsy tia adala
Ankamantra
Niova
zaramira