You are here: home > Vetso

NOFY - zazah

Azo vakiana?

Nanonofy nofihininao aho halina;
toy ny tena marina
ny zavatra niainako,
tanaty alina tao...
Tsy haiko izay antony,
fa teo no nahatsapako ny hakanton'
ny manonofy ranofotsiny;
Tsy haiko izay ho tohiny
rahampitso,
fa raha tsy mahadiso,
dia tiako
raha mijanona ho nofy fotsiny,
[ aza asiana tohiny]...
Satria akia ry neny,
ny nofy mamy tahaka ireny
no tsiron'ny fiainana.

Hametraka hevitra

Midira aloha