You are here: home > Vetso

hanambady anjely - zazah

Azo vakiana?

Ilazao ny ambanilanitra
f'izaho hanambady
anjelin'Andriamanitra
zanaky ny rahona
teraky ny habakabaka
nomeny ho valim-bavaka
sy tambin'ny finoana
nasandratra isan'ora.

O, isaorana ny Tompo
fa sambatra ny foko
notolorany anjely
manjamanja kely
hizara fitia
mamy tena fy.

Hevitra mandeha

zazah15 (29/06/2014 11:11:04)

...dia ho tanteraka tokoa anie izany!!!

andrywui (30/06/2014 10:16:33)

refa mba hanambady anjely tena izy zany iany enao de tsarovy ah refa mba tonga any ambony any enao e

Hametraka hevitra

Midira aloha