You are here: home > Vetso

zaramira - zazah

Azo vakiana?

Zarao mitovy
ny harena iombonana
mba tsy hisian'ny fialonana,
fa tsy sanatria bado
ny vahoaka eto Dago
ka hanaiky hambakaina,
fa mba olona misaina;
sanatria tsy ketrina
ka hanaiky hotsetsefina
eto amin'ny taniny,
na hiandry ny rariny
isanandro vaky izao...

Tsy misy hanaiky zara vilana
fa zarazarao hiaraha-mihinana
ny harena iombonana
mba tsy hisian'ny fialonana.

Hametraka hevitra

Midira aloha