You are here: home > Vetso

omenao ahy hoe ny lanitra??? - zazah

( ho setrin'ny "omeko anao ny lanitra", Tsiky dia ampy)

Omenao ahy hoe ny lanitra???
Ianao angaha adala
sa minia tsy mahalala
fa zava-masina ny lanitra;
fonenan'Andriamanitra
k'omenao ahy ahoana???
...miteniteny foana!!!
-Omeko anao ny volana e,
kintana e...habakabaka...
ngah io anao!
fa an'izao tontolo izao
tsisy an-kanavaka.

Aza manao zara tsy atolotra
fa raha tia ahy ianao
dia ndao hifanoroka!

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

zazah15 (03/07/2014 10:57:25)

...ny soratrao sakaiza
dia indro namoha ainga,
ainga hafa noho ny anao!

...omenao ahy hoe ny lanitra???
O, avo ny lanitra ka tsy takatro!!!

hery (27/04/2019 19:30:41)

Ankoatry ny oroka kosa ilay lanitra :-)

Hametraka hevitra

Midira aloha