MANANTENA (NY HARIAINA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANANTENA

Te hamangy
Te hijery
Te hahita anao,
Izao dia eny izao

Te hifaly
Te hisambatra
Te ho anilanao,
Fa tsisy ny azo atao.

Hany hery,
Aleo mijery
ny sarinao irery.

Mbetika sorena
Fa toa manorisory,
ny tsy an-tratranao akory.

Kanefa manantena,
Fa hoavy ny fotoana
Tsy maintsy mbola hihaona.

NY HARIAINA
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fitiavana
1546 0
Commentaires
hery ( 27/12/2012 10:59)
Fa hoavy ny fotoana
Tsy maintsy mbola hihaona.
nyhariaina ( 27/12/2012 19:00)
Izany tokoa, ny figadonan´izay fotoana izay sisa andrasana.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141