izaho ve? (r.epsilon)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay voahitsaka,nifitsaka,tsy fantatrao akory....
Ilay taraina,tsy nisaina ho tolokon'olon'ory...
Ilay niaritra,naharitra,nilofo tamin'ny androny....
Ka nihafy mba hitafy izay ho anjara masoandrony....

Nifanena ihany isika,na tsy fantatrao fahiny;
Fa ny endrika amam-bika, tsy mba tsinjo raha tahiny:
"Rovi-damba vangavanga,
"Feo an-tenda kendakenda,
"Fe manify mitampify tahak'izao no hitanao!

Tsy ho tsininao rahavako, raha nandalo fotsiny ihany!
F'efa lova faharazako ny voahozona ho ambany!
Bitika aho tsy taza-maso,tsy mba mety ho hitan'olona,
Fa rampitso ange andraso, rehefa tapitr'eo ny tolona???
--------
Lien:
Catégorie : Fahantrana
1383 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142