You are here: home > Vetso

Tiako ianao - Alahelon'ny Fanahy

Tiako ianao...

-indro hatolotro ho anao
-ilay fitiavako rehetra
-avy ao anatiko ao
-mandrakizay tsy misy fetra
-Raiso akia raha sitrakao
-fa amin'ny foko manontolo
-hitoero sy anjakao
-fa hafoiko ho anao daholo
-ianao no efa safidy
-ka ho tiaviko ho doria
-hankatoavako ilay didy
-fa ho mandrakizay akia
-'zay tianao dia ambarao
-fa ho tanterahako malala
-satria tiako ianao
-sady hiriako ho anjara...

Cedric tolojanahary
03/10/17

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Alahelon'ny Fanahy


Nampiditra : cedrictolojanahary04
Daty : 31/05/2019
Mpamangy : 345
Mankafy : 1
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Avelanao izy
Tiavo izy

Hevitra mandeha

raims randriamalala (03/06/2019 14:31:48)

dia lasany daholo izany ny fitiavanao ko, tsy tianao intsony zany ny hafa f'efa lasany daholo ny anjaran'ny hafa ko, mba zarao fitiavana ny hafa fa aza omena azy irery e

Hametraka hevitra

Midira aloha