Tsy misy lohan-teny (cedric tolojanahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...

Hiezaka hionona ny foko tia anao.
Hitia anao mangina,tsy mba hiloa-bava.
Hikobona azy am-poko,fotsiny amin'izao.
Na dia tena tia,sy tena babo aza.

Hanoratra tantara,tsy misy lohan-teny.
Hitantara anatiko,ny momba ahy sy ianao.
Mantsy izato foko,efa zatra ny ho irery.
Ka aleoko akia mamoy...fotsiny amin'izao.

Mantsy...io fitiavana io,akory tsy an-tery.
Fa mila fo mitempo,mahay miara-dalana.
tsy mety ny olon-tokana,raha hitia samy irery.
Fa mila olon-droa,mahay mifampitantana.

Mety tsy isika roa,no voasoritra ho anajara.
Ka aleoko aki faranana,havadiko ny pejy.
Hiezaka aho hionona,hanova ny tantara.
F'ilay izaho tia anao...hevero ho rediredy.

ANTSONY FANAHY
na
C├ędric TOLOJANAHARY
--------
Rohy:
443 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0557