vovoka (cedric tolojanahary)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dada

(Vovoka)

Narodana tsy mba navela.
Ilay hany tandindon'i dada.
Ilay sary efa trotraky ny ela.
Rotidrotika sy ravarava.

'Lay niserana teto anatrehako.
Najary nofiko an-kehitriny.
Ilay hany mba ho reharehako.
Nalevin'ny lasa fahiny.
.
Tsy. navela ho hitako akory.
'Lay hany masoandro maraina.
Tsy ho hitany masoko intsony.
Fa i Dada fa rava sy maina.

Eeh!
Hetraketraka lahy ny eto an-tany.
Toa mandrava ilay fanantenako.
Mbola ho hitia ve 'ndray andro any.
Ilay mpitsinjo ny lalan-kombako

Ny maraina

Cédric tolojanahary
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
814 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119