nilaozan-tsakaiza (cedric tolojanahary)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(...)

Oh!r'ilay volan-tomaratra.
Nakaiza ary ianao no tsy hita.
Fa takon'izato fahavaratra.
Ny ranomaso toa mila tsy ho ritra.

Oh!r'ilay kitan'ny alina.
Izay takon'ny raho-matevina.
Misitery tsy haiko fantarina.
Hoe hatraiza no fetran'ny heriny.

Oh!ry masoandro baliaka.
Nakaiza ary ianao no tsy tazana.
Niserana dila tsy hita.
Nanary sakaiza sy havana.

Oh!ry sakaiza tsy foy.
Lasa tsy mba niera akory.
Fa niserana fotoana fohy
Dia nandry sy tena natory.

Antsony fanahy.
Na
Cedric tolojanahary.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - Alahehelo
978 1
Hevitra mandeha
cedrictolojanahary04 ( 01/07/2020 16:53)
Misy fetra ny fiainan'ny zanak'olombelona.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163