Habakao (cedric tolojanahary)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Habakao...

Tiako ho soratana,
Amin'izao fotoana izao.
Ny mafy sy mangidy,
Efa niaretanao.

F'ianao ilay tovovavy,
Niaritra hirifiry.
Nigoka ranomaso,
Tamin'iny alina iny.

Niafy ianao ka niafy,
Niaritra ny jaly.
Nandatsaka tomany
Saingy(...)vonona hisedra,
Ny hetraky ny tany.
F'ianao nitraka hatrany,
Na inona nitranga.

Nivonona hameno,
'Zay mety ho fahabangàna.
F'ianao ilay tovovavy,
Mendrim-pideràna.
Mendrika alain-tahaka,
Amin'ny fiaina-nolalovana.
Mazàna ianao torovana fa nanana herin-tsaina.
Nisikina ambom-po,
Ho hery ho enti-miaina,ny fiainana any afara.

Fa tiako ho soratana,
Amin'izao fotoana izao.
Izay zavatra miseho,
Ao anatin'ny habakao.

Antsony fanahy.
Na
Cédric Tolojanahary

10avril2022 05:42min
--------
Rohy:
486 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155