You are here: home > Vetso

diniho - cedric tolojanahary

Azo vakiana?

Diniho...

Aza dia manao,
Ririnin-dasa tsy tsaroana e!
Ka tsy hamakafaka,
Izay  mihantra sy  midona.

Diniho aloha ny anio,
Ny ampitso koa hevero.
Dia 'zao no tadidio fa...
Ny ady mila hery.
Mila herin-tsaina,
Sy mila tanjam-po.
Tsy ila anao malaina fa...
Mikiry anaty fo.

Dia izao no aza hadinoina,
F'hianao mila mifantoka.
Mila manana finoana,
Miezaka miharitra,amin'ny zavatra natao.
Dia minoa fa handresy ianao.

Ny maraina

Cédric tolojanahary

Sokajy : fiainana