You are here: home > Vetso

antson'ny nofy - cedric tolojanahary

Azo vakiana?

Antson'ny nofy

Miantso anao ny hira,
Anaty nofinofy.
Hanambatra ny rima...ho tonga fanafody.
Hanasitrana ny fery.
Miantso anao hiteny irery sy...
Hibadabada foana.
Fa tonga ny fotoana,tsy hamelany anao hiato.
Fa hanainga ny vinany.
Handefa any ho any...ny saina sy fanahy.
Hijoro sy ho sahy,ho tena mahatoky.
Hananika ny habaka,ho tonga ho nofinofy.
Miantso anao ny hira.
Anaty tendry naotin'ny kanto an-dakira.
Hanambatra ny tonony.
Hanambatra indray ny voan'ny sary efa nalazo.
Hamelona ny vazo...

Vetso miray aina.

Henintsoa rakotomalala.
             Sy
Cedric tolojanahary

Sokajy : Fahatsiarovana

Hametraka hevitra

Midira aloha