Ialahy ambany - cedric tolojanahary
Ialahy ambany...
Ny fiainana eto zandry!
Ny eto misy foana ny zava-manahirana.
Misy koa ny ambony,natao ho faminkirana.
Ireo manan-katao,miambo tsy amin'ny rariny.
Ireo tsy manamanana,lazainy fa ambaniny.
F'izany foana ny eto e!
Misy ny mahantra,dia misy manamanana.
Misy ireo mitrongy vao mahazo ny eo antanana.
Misy ireo mpialona,sy ory hava-manana(...)
Kanefa hatao ahoana!
Fa ny eto izany foana e...
F'izany foana ny eto e!
Ooh...
Ry gasikara keliko,niangaran-janahary.
Aoka isika hitandrina,fa masina ny tany.
Saingy nopotehin'ny toen-tsaina tia ambony.
Ka zary vazaha toetra,hatramin'ny atifony.
F'izany foana ny eto e!
Ireo mba hoe mpitondra,nalaina ho fitaratra.
Toa zary vara-datsaka,nandrava fihavanana.
Ny vahoaka mitaraina,sy mandondom-baravarana(...)
fa hiniana tsy henoina.
Ny vahoaka no vonoina sy natao sorona,
Mba hitadiavan-tseza.
Ny mpitondra no miha Ngeza,
Amin'ny fahorian'ny sasany...
F'izany foana ny eto e!
Na inona lazaina
Na inona ambara
Na misy ho kafaraina
Na misy ho tantaraina
Fa eto izany mihitsy
Ny manana tsy hitsitsy fa...
Rehefa ialahy ambany,
Vao maika hambaniany.
Kanefa izao tsarovy,
Na zovy ianao na zovy.
Rehefa indray andro any,
Tsy maintsy ho vovon-tany...
Antsony fanahy
Cédric tolojanahary
08/05/22
03:12 maraina
Mombamomba
Mpanoratra : cedric tolojanahary

Nampiditra : cedrictolojanahary04
Daty : 12/05/2022
Mpamangy : 242
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
HabakaoTsy misy lohan-teny
ny eto mahatanty
r'ilay olona iny
kamboty velon-dray
nilaozan-tsakaiza
antson'ny nofy
vovoka
diniho
vavaka ho an'ny firenena