r'ilay olona iny - cedric tolojanahary
Fa iza loatra lahy,ilay olona iny.
Tazako niserana,nandalo toa vahiny...
Nanaitra ny fitiavako.
Hitako sy tsapako,fa babonao ny foko.
Resinao sahady.
Na dia efa niady(...)niezaka ny hionona.
Ny tombanao rehetra,toa satriko ho Ngononina.
Sy ho kaloina an-kalo.
R'ilay olona nandalo,niserana minitra.
Dia dila tsy hita...
Fa iza loatra lahy,irony aloka niserana.
Dodona fihavy,sy nanomboka ny foko.
Nandalo fotsiny ihany,tsy nisy fiverenana.
Ka tonga indray namangy ahy,ny sento sy toloko.
R'ilay olona iny...
Lozanao namongatra ny ratrako fahiny .
Antsony fanahy.
Na
Cedric tolojanahary
Sokajy :
Aingam-panahy, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : cedric tolojanahary

Nampiditra : cedrictolojanahary04
Daty : 06/07/2020
Mpamangy : 575
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ialahy ambanyHabakao
Tsy misy lohan-teny
ny eto mahatanty
kamboty velon-dray
nilaozan-tsakaiza
antson'ny nofy
vovoka
diniho
vavaka ho an'ny firenena