You are here: home > Vetso

indrisy mantsy - cedric tolojanahary

Indrisy mantsy...

-indrisy mantsy ry fiainako
-'zay ato anaty fahantrana
-iza moa no mba hitarainako
-sy hihaino izay tiako ambara
-nahoana re aho ry ilay anjara?
-no miaina fahoriana
-ato anaty fahantrana
-tsy mba misy fitsikiana
-Fahoriana lava isan'andro
-adin-tsaina foana foana
-tsy maraina tsy atoandro
-fa toa mandavan-taona
-mbola hisinda ireo fahoriana
-dia rahoviana anefa izany?
-sa mbola hitohy ireo fijaliana
-mandram-pialako eto antany...

Cedric tolojanahary
01/05/18

Sokajy : Tontolo iainana

Hametraka hevitra

Midira aloha