You are here: home > Vetso

" HO ANAO!" - IaroMalala


       HO ANAO!

Ho anao izay niharitra
Saika isaky ny alina....
Fandrehetako ny jiroko
Rehefa injay mamantonalina!.

Ho anao ilay tafandry,
Impiry moa nokotabaiko....
Fony nisy teny iray
Miserantserana tan-tsaiko?.

Ho anao nifampizara
Ny alim-potsiko mazàna....
Fa ny kiriko mamihina
Eritreritra tsy tana!.

Ho anao mivadibadika
Tsy nopizin-tory hatrany.....
Ka sendra andala-norafetin'
Ito soratro androany!.

Ary....................

Ho anao ilay nankafy
Antsaantsa teny imolotro.....
Mbola ho anao anio
Ny tononkalo izay hatolotro!.

                   IaroMalala
                 "Aprily-2013"

Sokajy : Aingam-panahy, Namana

Hametraka hevitra

Midira aloha