ATAMBERENO INDRAY ANIO (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ATAMBERENO INDRAY ANIO

Atambereno kely indray, ‘nareo ilay vao nifankahita,
Izy ilay nijery anao tamin’ny endriny sariaka,
Ny ati-fo nisavoamboana te hamboraka fitia
Ilay saina ravoravo te-ho Malalany satria……

Atambereno indray anio,ilay “Eny” tany aloha,
Ireo oroka niraikitra….Sambasamba be tokoa,
Ianao ilay nofihininy, menamenatra sy vahotra,
Samy mbola mody adala, angamba kosa vao nianatra e!.....

Atambereno indray anio, ilay tsongo mody sangy,
Na ireo takalo rora samy tsisy mananamby,
Ilay mody hoe:”Babeo!”, taingim-bozona ao an-katoka,
Rehefa ‘ndeha hisaraka iny…Moa tsy tady mifamatotra?...

Atambereno kely koa, ireo ady nifandramatra,
Ilay teny toa tsy nahy,”’zaho tsy mila…’Ndao hisaraka!”,
‘Lay tao anaty bodofotsy amin’ny alina mangiana,
“Aleo mba hifampitsofoka ny tongotra…Ry tiana (kah)!....

Atambereno kosa aloha e!, ireo zavatra nafenina,
Ny hadalàna, safosafo…Ny zava-bita tsisy nenina,
Avereno dieny izao, aza asiana iray adino,
Manokàna ianao fotoana….Am’zay mba mety mino….

Fa ny fitiavana hono, manko, hafaliana sy tomany,
Tsikitsikim-pandresena…Ranomaso hatrany hatrany,
Hatram’zao raha mbola tia, dia izao no tadidio:
Ireo lasa tany taloha no mbola iainanao anio!.

Ka atambereno izany androany!
F’aza avela hanjavona any….

IaroMalala
“16 Aogositra 2013”
--------
Rohy:
1522 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01