" INONA IHANY?..." (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INONA IHANY?...

Rehefa injay ianao
toa mientam-paniriana,
Tsy mahagaga moa fa:
"Misy raozy tiana"
Dia,
Izany no fitiavana!

Avy eo ianao
Mitsikitsiky kely,
Dia io fa lasa saina
Sy tsy ahitàna teny.
Dia,
Izany ilay fitiavana!

Nony aty aoriana ianao
Niditra am-piangonana,
'Nde mba hanamasina
Ilay fitia nitonantonana.
Tena,
Izany no fitiavana!

Rehefa injay ianao fa,
Rotik'adi-saina,
Ary vetivety eo...
Toa tsapanao mangaina.
Eny,
Izany ilay fitiavana!

Ary...Injay ianao fa:
Kamo mody an-trano,
Manampy izany indray
Io ianao fa mamo.
Dia,
Izay vao tsy fitiavana!

Fa raha fitia no sainina?
Dia valaka eo ianao
Fa ny ati-doha foana
No mandraingy fanimpanina!.

IaroMalala
"11 May 2013"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1253 0
Hevitra mandeha
mitsoa ( 12/06/2013 07:36)
fitiavana daholo ka.las tia tsy mody antran sy tia msotro natakalony lay tiany fahiny.mankasitrak e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099