"TIAKO RAHA IANAO..." (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO RAHA IANAO...

Malala a,

Ny fiainanao?
Tiako mba ho fiainako!

Ny fitiavanao?
Sitrako ho fitiavako!

Ny ao anatinao?
Iriko ho ato anatiko!

Iny fonao iny ve...
Mba mety raha hindramiko?

Ny tantaranao?
Mamiko ho tantarako!

Ny anaranao,hono...
Toa singotry ny anarako!

Ny tsiambaratelonao?
Mba ho tsiambarateloko!

Ny alahelonao?
Misy hifandraisany @rohin'alaheloko!

Ny fanajàko anao?
Tena mba ho tanako!

...Ianao manontolo ho'aho
"Laniko ho Malalako!"

(...)

Nefa rahoviana ny fonao
Vao mba ho foko?
Afaka hafiriana
Vao ho to ny faniriako?

- Ansa!

IaroMalala
"10 May 2013"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2405 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107