" ADY HO'AHO NY FIAINAKO!" (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADY HO'AHO NY FIAINAKO!

Malala a!,

Ady nge ny fiainako e!.
Ady tsisy mpifanandrina
Fa miady an-tena ihany....
Indraindray aza moa
Rehefa mafy ny hiadivana dia,
Manongo tena izany!....

Ary,
Aoka ho fantatrao ry tiako fa:

Toa izany koa ny ady
Mba sedraiko isan'andro
Na maraina na hariva....
Na alina na atoandro,
Dia miady foana aho
Nohon'ny fitiavantsika roa!....

Koa raha mitresaka ny lohako
Dia: "Ady saina anao" tokoa!...

Fa ady ho'aho ny fiainana
Ady mafy tsy an-kijanona,
Misy andro aza aho
Toa mandraingy fanimpanina!

Kanefa izaho tsy hanaiky ho resy
Fa mbola hifofotra ho antsika...
Hanamparàko ny heriko
Hatram'farany ...."TAFITA!"

IaroMalala
"11 May 2013"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2161 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112