SOA FA NISY (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOA FA NISY IHANY

Soa fa nisy ihany
fijaliana mihoampampana
Mitokona ato anatiko.

Soa fa nisy hatrany
ny mpanetry fisandratana
Am'tanjona tratrariko.

Soa fa nisy 'zany
ny latsa maro loko
Nananatra ny fiainako

Soa fa nisy ianao
'lay tokako ato am-poko
Ho andry fitarainako!

Fa raha tsy teo ireny?
Tsy ho to ny faniriako,
Hay ka mbola ireny
No anton'ny fisiako!.

IaroMalala
"24 Jolay 2013"
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1477 1
Hevitra mandeha
ZAKAIOSY ( 24/07/2013 20:47)
Tena tsara e, mankasitraka !
IaroMalala ( 25/07/2013 14:21)
Ianareo mpamaky ry ZAKAIOSY no isaorana e! Indrindra mametraka hevitra sy tsikera entina hanatsaràna ny asa-soratra malagasy!
Mankatelina re a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01