" TSIARO MANGIDY " (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIARO MANGIDY

Eny!,

Indray andro any ianao hitady faniriana
eo an-doha-pasako.......
Hisotro ny mafaitra; hitady ny tsy laitra
sy ny sisa izay tsy lasako.....
Ny fitiavako, ny tsikiko, ny fihaonana matetika?
Nofy sisa angamba......
Fa niangavy anao aho mba hiezaka hampandefitra
na dia ora vitsy monja
Amin'ty fiainanao jamba.....

Kanefa kay indrisy,
Efa tara loatra!
Lasa aho vao taitra ianao, ka:
Nandalovanao ny tranoko...
Ny hany fara-heriko?-Ny "aveloko" , eny sisa!
No sisa mba najanoko.....
Hiandry anao hiserana
Rehefa vonto fanenenana!.

Izay angaha no lahatra nitiavako anao
dia "IANAO" irery....Ianao sy ny ao am-poNY?
Kanefa hitalahoako, indrindra ny fitiavanao
Mba ho faty miaraka amiko tsy ho hitanao intsony.

Ka toa adala hono ianao.....
Raha mikiry hitady ahy amin'ny andro tsy mba lasako,
Na hidongy lava izao...
Mba hamihina ahy eo "am-baravaram-pasako"!.

IaroMalala
"04 Febroary 2008"
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - Fitiavana
1889 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098