FA NAHOANA?... (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FA NAHOANA?...

Fa nahoana ianao no kivy
Tsy mahazaka onjam-piainana ?
Moa tsy fantatrao angah!….
Fa fandalovana ny fiainana?.

Fa nahoana no misotro
Ranomasom-pijaliana?
Ny eto an-tany fikirizana…
Fa tsy natao fitomaniana.

Fa nahoana no mimalo
No sady maimaina molotra?
Rahefa tena tsy ho tanty….
Omeo tsiky iray tsy rotitra e!.

Fa nahoana kay no sento
No handravahanao ny alina?
Sa… manko, any ho any,
Misy tiana tsy mba manina?.

Mahereza sombin’ny aiko,
Aza kivy….Mitrakà.
Ny teny farany lazaiko?,
Ny “ Andriamanitrao no ahy!”.

IaroMalala
“15 Aogo.2013”
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana - fiainana
1608 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097