ILAY SARINAO (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY SARINAO

Notsofiko ny jofo,
Nofafaiko ihany…
Ilay sary koa nihofo,
…Tena tsy azoko vinany.

Nangalàko tapa-damba
Nofaohako milamina…
Izy izany angamba
Toa sary tsy mba manina (kah)!.

Nodinihiko elaela
He!...Talaky maso…
Ny sisa mba tavela
Dia loko iray matsatso.

Narehitro ny jiro
Io fa miharihary…
Oay!...Tena tsy mampino!
…Nodorako avy hatrany!.

Satria:

Tsy afaka hitia
Fa efa maty ianao,
Ka tandremo sao manangatra
Am-renin-janako ao an!!!.

IaroMalala
“23 Jolay 2013”
--------
Rohy:
1662 0
Hevitra mandeha
ZAKAIOSY ( 24/07/2013 20:44)
Andray kosa e !
Sytraka ( 25/07/2013 12:40)
Malaelo be 'zao izy any !
IaroMalala ( 25/07/2013 14:07)
ka l e izy nge ts anjara mits e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109