You are here: home > Vetso

"EISY E E!" - IaroMalala

         EISY!

Adaladala.................
Rehefa antsoina dia manakifika volo
Sy mody mba miavona.....
Ny tanany anefa malefaka kely
Toa mora mandrazona.....

Mitapitapy................
Rehefa kitihina, miala ilany
Miseho ho masiaka....
Nefa inay hihetsehako kely
Mba mitsiriritra....

Mananihany..............
Rehefa hilaozako, manakatra miantso:
"ERY! mba andraso"....
Izany izy izany rehefa tsy tia
Nefa manara-maso....

Eisy!....................
Mbola aiza ny aiza?

           IaroMalala
         "Aprily-2013"

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha