" RAHA....." (IaroMalala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"RAHA...."

Malala a!,

Raha misy disadisa na esoeso an-teny dia,
ao ny tambitambiko.....
Tsy trerona na latsa fa ny "TIAKO" ombieny ombieny
no ezahiko harafitro.....

Ary,

Raha misy jery vilana na maso koa mangarika dia,
zahao ny topi-masoko.....
Tsy maso bongobongo na longim-pahatezerana
fa tsiky kely hafafiko.....

Fa raha 'zay an'ny hafa?-Tsy natao ho anao,
Raha ny marina Malala a!-Mandatsa tsotr'zao!!!

IaroMalala
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
874 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138