You are here: home > Vetso

Anjara - Nalison Randrianaivo

Anjara

Nandeha teny ny fotoana
naharitra tsy nihaona
hay va re ity tany
ka boribory ihany

ka nampihaona anay
tamin'ny toerana an-kiray
izay hiforona ho vaovao
ilay fitia izay naha lao

ka nanomboka teo
dia niverina niaraka
tsy nifankaleo
ary tsy mba hisaraka

toa tsy mampino mihintsy
iny nifankahitana iny indray
tena feno tsikitsiky
ilay andro iray

taona maro taty aoriana
dia mbola tsy mifamarafara
tsy mahafoy iny olon-tiana
fa izy ilay anjara

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha