Mahalalà tsy tiana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malalà tsy tiana

Rehefa tsy tiana aloha dia mipetraha
Ary aza mifandrebireby kely azafady
Sa ianao vehivavy fa tsy tena lehilahy?
Sady izaho koa izao efa hanambady e
Ka aoka tsy hifanadala fa mandreraka
Malalà tsy tiana ary mahaiza mipetraka

Tsy ny ranomaso ararakao amin'ny tany
No hampiova ny foko, toa nofinofy izany
Tsy ny fiangaviana sy ny talaho ataonao
No hampiova ny hevitro ka hitia anao?
Tsy hisy re izany, fa malalà tsy tiana
Aza misisika sy mametram-panontaniana
Fa ny foko efa lasan'olon-kafa e

Na hilelaka ny faladiako eo aza ianao
Dia ny foko no nisafidy ny tsy tia anao
K'aza mandany andro amin'izany foana e
Fa fotoana very ary koa ho zava-poana
Ka malalà tsy tiana rehefa tsy tiana e
Fa aza mitady aretina tsy hiriana e

Teny tokana ihany ny ahy no hambarako
Izaho tsy ho anao, ianao tsy ho anjarako
Fa tokana ihany koa no safidin'ny foko
Ary mahay manaja satria manan-tompo
Ka ny teniko farany dia veloma ianao e
Tsy tiako ianao, tsy tiako hoy aho ianao

Malalà tsy tiana e
Izay....
--------
Rohy:
4771 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141