Ny Zanako. (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tantara kely indray ity mitondra ny lohan-teny hoe" NY ZANAKO "

Zaka sy Noro

Noro: Leo aho marina e
Leo amin'ity fahantrana ity aho
Leo amin'ny fihafiana ato aho
Leo amin'ny fijaliana isan'andro aho

Zaka: Noro a, Fa inona ity mahazo anao?
Mananà re finoana mananà fanantenana
Fa any andro any volana ary any taona
Ho avy ilay maraina natokana ho antsika
Ary izao hiainantsika izao zary hibaliaka

Noro: An an an ka, Efa ho lava ny anao
Aiza ve ka maraina zara raha mihinana
Ny atoandro moa dia efa manginy fotsiny
Ny hariva indray zara raha misy atokona
Ny ankizy no mijaly, Efa ho maty mosary

Noro: Leo aho marina e
Ianao teo aloha teo mba niasa tsara ery
Ny karama mahavelona ny ankohonanao
Fa amin'izao ianao ity zara raha mahazo
Ny sasa-lambako indray aza no be noho ny ianao

Zaka: ka inona ary no ataoko hoy ianao?
Efa mba niezaka anie aho nitady asa hafa
Saingy tsy nisy na iray aza mba nandray
Ny fianarana vitako no tsy sahaza izany
Nefa tsy nikely soroka aho nitady ihany

Zaka: Noro a, Isika afaka mihafy foana
Fa ny ankizy no tsy sahaza izany loatra
Ka aleo re ny ankizy no omena sakafo
Aleo re ny ho avin'i Miora kely no jerena
Izy irery ihany anie no hany mba harena

Noro: An an an ry Zaka
Aleo aho hitady asa hafa fa ajanoko ity
Mahonena ahy loatra mantsy ny zanako
Ilay hany tokana harena eto an-tanako

Mpitantara: Nandeha teny ny fotoana
Nahita asa tokoa i Noro sady asa tsara
Ary faly tokoa izy satria tsara karama
Ka nihetsiketsika tokoa i Madama e
Lasa tia mihaingo sy tia miloko mena
Tia mividividy lamaody eny an-tsena

Mpitantara: Ho azy irery ihany anefa
Fa ny vady aman-janany tsy nividianany
Nanomboka tia tena tokoa i Noro teo
Henoy anie ny tohiny raha liana ianareo e

Zaka: Noro a, Niova be ianao
Tsy toy ny taloha intsony raha vao niasa
Lasa tia manara-damaody sy tia mivoaka
Indraindray aza hadinonao tokoa izahay
Hany ka lasa tsy tsaroanao i Miora kely
Fa nahoana loatra re ry Noro a?

Noro: Diso kosa ianao ry Zaka
Miasa foana anie aho dia sahirana e
Fa tsy nanadino anareo mianaka akory
Vady aman-janako ve dia ataoko an'izany
Fa raha ny hoe manara-damaody indray
Izaho anie vehivavy fa tsy heo lehilahy?

Noro: Mba mila manao metimety kosa koa
Olona miasa ve dia tsy mba hiangohaingo
Sady izay vehivavy rahateo moa ny tena
Ka atao izay mba ho tsara raha jerena e

Zaka: Eny e, Aok'izay izany resaka izany
Fa ndao aloha hisakafo, Sao tara ianao
Izaho koa maika anatitra an'i Miora kely
Sady izao efa amin'ny 6ora mahery kely

Mpitantara: Dila ny vola lasan-ko taona
Tsy miova i Noro fa dia iny izy iny foana
Vao maika aza moa nivaona be tokoa izy
Hany ka tena adinony i Zaka sy ny ankizy

Mpitantara: Nahavita tsy nody i Noro
Ary ny farany aza dia tsy hita intsony
Tsy mba nandrenesam-baovao mihitsy
Tsy mba hita namangy na nandalo akory
I Zaka kanefa isak'alina tsy mahita tory
Fa any amin'ilay vadiny foana ny sainy
Hany ka lasa nahia izy ka reraka ny ainy

Mpitantara: Roa taona izay no lasa
Tsy hita na nankaiza na hoe aiza i Noro
Indray andro i Miora kely nanontany azy
Hoe: Dada a, Fa aiza hoy aho i Neny e

Miora: Malahelo azy mafy aho izany
Efa ela be aho mantsy no tsy nahita azy
Dada a, Malahelo be an'i Neny aho ry Dada
Fa aiza izy e? Dia maninona koa ela be any?

Zaka: Miasa akia Neny a, sahirana be izy
Fa ho avy eo foana izy rehefa avy miasa
Dia hitondra kilalao be dia ho an'indry
Kony a, Ary avia aloha aty amin'ny Dada e

Mpitantara: Dimy taty aoriana
Niantso an'i Zaka an-telefaonina i Noro
Niova be ny feony na koa ny fiteniny
Tsy ilay Noro be fitiavana sy teny mamy fahiny
Efa liana ianao ka haraho ny tohiny iny

Zaka: Allô!!! Fa iza izao azafady?

Noro: Izaho ihany ry Zaka a

Zaka: izaho iza? Sao dia diso numéro ianao?

Noro: I Noro ihany e
Fa i Zaka ve izao azafady?

Mpitantara: Hoy i Zaka tany an-tsainy tany
I Noro iza? Iza moa ny olona fantatro hoe Noro?mmmmmhhhh...
Aiiii, Izay vao fantatro
I Noro vadiko io, Maman'i Miora kely
Fa dia nahoana loatra re ry Noro e?
Dia tena sahinao ve ny nandao anay mianaka?
Eny e, Tsy maninona fa vitako koa ny ahy e
Henoy indray ny tohiny ary e...

Noro: Allô!!!Allô!!! Mbola ao ve?
Allô!!! Zaka mbola ao ve ianao?

Zaka: Tsy Zaka tompoko ity fa ny mpanampiny
Fa ahoana kay azafady?
Misy hafatra ve fa hampitaiko aminy rehefa tonga izy?

Noro: Ay, Mba teneno ary e
Hoe niantso teo hono maman'i Miora kely
Dia handalo aty hono izy sy ny patron-ny rahampitso heo
Hanao velona farany fa andeha hiasa any ivelany aho mantsy
Teneno izay izy tandremo sao hadinonao a

Zaka: Ahoana re ry Noro?
Handeha hiasa any ivelany ianao?

Noro: ie, Teneno izany izy rehefa tonga e

Zaka: I Zaka ity ry Noro a
Ahoana tsara hoe hoy ianao?

Noro: Ay ianao
Hanao veloma farany an-janako aho
Fa handeha hiasa any ivelany aho hoy aho
Rahampitso aho sy ny patron-ako no ho any

Zaka: Noro a, Fa dia nahoana loatra?
Fa inona ity nataonao ry Noro a?
Mijaly anie hoy aho ny zanan-tsika e
Mitondra ny mangidy izy no ny amintsika

Noro: Aaa, Izay fa lany ny crédit-ako
Ataovy hitako ao fotsiny ny zanako e
Amin'ny sivy sivy eo ho eo izahay no tonga
Izay fa lany ny fahako koa veloma

Zaka: An an an, Andraso aloha e
Allô!!!Allô!!! Noro a, Allô!!!
Tapahany marina ilay antso
Fa inona koa ary ity Andriamanitra ô
Mijaly aho e, mijaly aho sy ny zanako e

Mpitantara: Noho ny tonga tokoa ny hampitsoa
Efa vonona teo i Miora kely sy ny dadany
Injany any an-tokonany any fa tonga
Injany ny feon'ny fiara mikilakiasaonina
Ary avy dia nampandrosoana ny vahiny

Mpitantara: Ary nakana ranomboankazo
Norosoana sakafo sy izay masaka tao
Ary naroso ny antodia sy ny resaka
Henoy ny tohiny fa efa liana ianao

Noro: Salama ve ny zanaky Neny?
Efa nitondrako kilalao anie ny zanako
Ireo ny kilalaonao tianao daholo?

Noro: Ka izao ilay izy ry Zaka
Fantatrao tsara angamba ity olona ity?
Izy no vadiko ary efa vita ny mariazinay
Maurice no anarany, izy no patron-ako
Tompon'ilay orin-asa niasako fahiny
Efa vadiko izy ankehintriny

Zaka: Eny Tompoko, Faly Mahafantatra anao

Noro: ka izao...
Handeha izahay izao fa mbola hiverina
Hiverina haka ny zanako any aoriana kely

Zaka: An an an kosa aloha ry Noro a
Miora kely dia tsy miala eto amiko izany
Io no hany zanako ka tsy avelako ho any

Noro: Tsy ianao akory no mandidy
Fa izahay no tompon-tsafidy e
Ary aleo izahay handeha fa sao tara eto
Saingy tsarovy hoy aho fa mbola hiverina izahay
Haka ny zanako, Eny ny zanakay e

Zaka: Tsy misy izany e
Zanako io fa tsy zanakao

Mpitantara: Torovana teo i Zaka
Eny latsaka ny ranomasony
Mila ho adala mihitsy izy satria niteny irery
Ary ny ranomasony nofafan'i Miora kely
Ary hoy ity zanany taminy nanao hoe:
Dada a, aleo re izy handeha e
Avelao izy handeha any, avelao izy ho any
Fa ianao ry Dada tiako hatrany a

Mpitantara: Folo taona taty aoriana
Efa feno dimy amby folo I Miora kely
Efa azo lazaina fa heo efa mba lehibe
Tonga teo amin'ny faha 18 taonany izy
Nanala baccalauréat izy ary dia afaka
Nanomboka teo izy no tena sahirana

Mpitantara: Sady mianatra no miasa
Satria tsy arakin'ny Dadany intsony
Saingy nanokatra tsena izy dia nivarotra
Ny Dadany no mba nitana ity tsena ity
Nanao izay hevitra ahatafita ity zanany
Hany ka tapitra namidiny ny fananany

Mpitantara: Efa osa tokoa ity Rainy
Reran-tsaina sy rera-batana
Saingy tsy mba nikely soroka mahitsy
Fa nanao izay faraheriny ny ahatafita
Indro aloha ny tohiny ho arahintsika

Miora: Tena reraka anie i Dada izany e
Jereo ity tarehiny hatsatra sy fotsy
Izy ity lasa miha mahia kely mihitsy
Mampalahelo ahy ianao ry Dada
Aza matahotra ianao fa tsy maintsy tafita aho
Ary hamaly babena anao

Zaka: Miora, fa maninona ianao no manganohano?
Fa misy inona ry zanako?

Miora: Tsy misy inona re ry Dada
Fa malahelo anao fotsiny aho a
Reraka be anie ianao ry Dada e
Sady lasa mahia kely anie ianao

Zaka: Tsy reraka aho anaka
Ary dia miasa saina ny amiko ianao
Fa izaho anie tsy marary e
Tsy maninona re aho anaka fa aza manahy e

Mpitantara: Feno roapolo taona i Miora
Efa tovovavy lehibe sady efa miasa
Ary tompon'andraikitra ambony ao amin'ilay orin-asa izy
Ary lehibe amin'ny toerana ambony izy

Mpitantara: Indray andro tonga tsy nampilaza ny reniny
Fa hoe tonga haka azy amin'izay
Kinanjo zavatra hafa no niseho
Indro indray ny tohiny fa liana ianareo

Zaka: Miora a, Avia aloha ianao vetivety

Zaka: Izao re anaka
Ataoko fa efa fantatrao izao tantara izao
Tonga teo ny Reninao hoe haka anao
Saingy ianao moa tsy teo dia lasa izy
Fa ho avy eo rehefa kelikely eo

Zaka: Efa fantatrao izany teo aloha teo
Fa tsy maintsy hiverina haka anao ry zareo
Ka anjaranao sisa re no mieritreritra
Anjaranao sisa no mamakafaka
Misafidy ianao na izaho na izy ilay haka

Miora: Eny ry Dada a

Mpitantara: Lasa saina teo ny Dadany
Raha nandre ny valin-tenin-janany
Mety handeha hanaraka an-dreniny ve?
Sa hijanona eto amiko tsy handeha?

Mpitantara: Noho ny tonga ary ilay fotoana
Nitabataba mafy i Noro tamin'i Zaka
Nanao hoe: Aiza ny zanako, aiza ny zanako
Tezitra mafy i Noro ka nahavita nanozona mihitsy
Nanao vavy tsy nitsitsy

Mpitantara: Iny fa tonga tokoa ny zanany
Ary nanao hoe: Tonga aho ry Neny a
Dia nifampiharahaba teo izy ireo
Indro indray ny tohiny fa liana ianareo

Noro: Handeha isika anaka ka miomana
Ho any an-dafy isika ary hipetraka any
Miomana ny zanako

Zaka: Tsy misy miala izany eto e
Miora a, Jereo Dada fa mampalahelo
Mijaly anie ny Dadanao ry Miora e

Noro: Inona?
F'ilay Rangahy ity ve adala sa mitapy?
Tsy maintsy alaiko ny zanako e
Izaho no niteraka an'io, Narary ahy io
Izaho no nitondra sivy volana an'io
Ka noho izany zanako izy, alaiko izy izao
Ka taraiky eo ianao e

Zaka: Ekeko fa hoe zanakao izy fa kosa...
Tsy zanakao izy satria nialanao ny adidy
Tsy mba nandray andraikitra taminy ianao
Raha nahita ny fahantrana sy ny tsy fananana
Dia narianao izahay fa ianao nanambady mpanana

Noro: Ho diso fanantenana ianao r'ingahy ity
Efa lasa niomana izy fa handeha e
Sady falifaly ery fa ho any an-dafy e
Fa efa leo ny fahantrana sy ny miafy e

Zaka: Aoka izy no tompon-teny farany e
Aleo atsoina izy dia hitantsika eo e

Mpitantara: Dia natsoina tokoa i Miora
Ary fahagaga no niseho tamin'izany
Tsy nisy nisolo na ny akanjo na ny pataloha
Ary hoy izy izaho no tompon-teny farany
Ary hijanona ho eo anilan'ny Dada malalany e
Henoy anie e

Miora: Izao ry zareo a
Ekeko hoe reniko ianao ry Neny
Fa Dada dia Dadako nananatra sy niteny
Fa ianao kosa ry Neny nandao ahy
Nandao adidy, Nandao andraikitra
Raha handao an'i Dada aloha tsy raikitra e

Miora: Dada no tena nijaly tamiko
I Dada koa tiako, tsy foiko, fa mamiko
Fa natakalonao an'i Maurice i Dada
I Dada ilay mahantra kely nitady ny mazava
Izany no Dada tena tsara deraina
Fa raha hanambany ahy inona aza ianao ry Neny Dia hiala maina

Zaka: Ny zanako, Ny zanako marina
Faly aho tena faly aho ry zanako
Ianao ilay hany mba fananako
Etsy ho fihiniko mafy ny zanako
Fa adidiko sy asan'ny tanako

Zaka: Tsy mba hilako olona nandao
Fa tsy misy mahasolo anao
Dia indro ny soratakanako
Hanoratako ho anao ry zanako

Zaka: Ny zanako no harena
Mamiratra toa volamena
Tena Miora tokoa ny zanako
Hiventso ho anao ry taranako

Ny Zanako

Nalison Randrianaivo
--------
Rohy:
3489 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158