Tamberim-pitia (Nalison Randrianaivo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamberim-pitia

Taona maro lasa izay
Ny nandaozanao ahy
Lasa fery ato anatiko
Ka hila tsy ho tantiko
Indrindra ilay fotoana
Nisantaranao ny vatako
Dia tsaroako foana
Ary tena tsy ho zakako
Rehefa injay mitamberina
Ato an-tsaiko sy ao an-dohako
Dia tsy mety ho hadinoiko

Voatsiahy sy Voatsiaro
Ireny fitia mamy nifangaro
Ireny fotoana rehetra ireny
Dia indrindra ilay teny hoe
Azy aho ary ahy ny malalako
Kanefa izao tsy anjarako
Androany mitamberina avokoa
Dia marary indray ny loha
Marary koa ny fo

Niezaka aho ny tsy hahatsiaro
Saingy tsy azo hodian-tsihita
Ireny lasa sy efa vita
Efa rano raraka an-tany
Ka tamberina sisa izany
Satria ny lasa tsy hiverina
Tsy atao hampanenina
Fa na mafy sy marary aza
Dia miranĂ  ianao ry tava
--------
Rohy:
4616 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131