Sakaiza manody. - Nalison Randrianaivo
Azo vakiana?
Sakaiza manody
Izao lesy ry Sakaiza
Isika roa lahy mpinamana
Samy tia fihavanana
Nifandray am-po tokoa
Toy ny mpiray tampoa
Nifampihinana ny manta
Niara-nihosina sy ory
Kanefa tsy nampoiziko akory
Hoe ialahy no nivadika ahy
Sahy aloha ialahy ka sahy
Ilay rohy mba nampitohy
Lesy dia tapaka no ho ialahy
Ka mialatsiny lesy a, Azafady
Fa tsy hitohy intsony ny tady
Tena sakaiza manody ise
Veloma fa aleo aho handeha
Sokajy :
ahy, Aingam-panahy, Alahelo, embona, Eritreritra mandalo, Fahatsiarovana, fananarana, fanantenana, fiainana, Fiononana, Fisarahana, Fitiavana, Hambom-po, Tanindrazana, Vavaka
Mombamomba
Mpanoratra : Nalison Randrianaivo

Nampiditra : nalisonrandrianaivo2018
Daty : 12/03/2019
Mpamangy : 2481
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
AtsaharoTsy misy mahavita tena
Tena fitiavana.
I Neny
Ny Zanako.
Takariva amoron-drano
Mahalalà tsy tiana
Tamberim-pitia
Fitiavan'i Neny
Olon-tiako vaovao