Fitiavan'i Neny (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavan'i Neny

Hafa ihany ianao ry Neny
Tia mibedibedy sy miteny
Tia manoro sy mampianatra
Tia mikapoka sy mananatra
Fa raha misy mahazo anjanakao any
Dia indro ianao fa tomany

Satria tianao izahay ry Neny
Ka tsy mba sasatra ianao miteny
Ny fitiavanao dia hafa mihitsy
Raha misy ditranay ianao tsy mitsitsy
Fa rotsakazo kely iray
No hamaizanao anay

Hafa mihitsy ianao ry Neny
Tena tia zanaka tokoa
Dia ny zanaka mankatoa
Ray aman-dreny
Fa ianao raha mahazo
Mandraingiraingy amin'ny rotsakazo

Lehibe ny fitiavanao anay
Ary ankehintriny izany tsapanay
Fa nitondra vokatsoa ho anay tokoa
Dia ny fahaizanay mankatoa
Misaotra anao ry Neny
Fa lehibe tokoa ireny
--------
Rohy:
3236 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122